CHE BEL CANTO NIARAHANA

TAMIN'NY TOVO J'HAY


  • Talata 17 Febroary 2026

Fahombiazana tanteraka, feno hipoka Mahamasina

Mbola tena miraikitra ao am-pon'ny mpankafy ny mpanankato Tovo J'hay sy ny lazany na dia efa elaela aza izy no tsy re. Porofon'izany ilay fampisehoana goavambe Che Bel Canto notanterahina tetsy amin'ny lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina afak'omaly Alahady 15 Feboary. Feno hipoka ny toerana nanaovana ny fampisehoana nahitana ny sokajin-taona rehetra, indrindra fa ny tanora. Nanomboka tamin'ny 03 ora folakandro ny fampisehoana naharitra ora telo teo ho eo. Niverina tao am-pon'ny mpankafy nandritra izany ireo karazan-kira nahafantarana an'i Tovo J'hay hatramin'izay. Toraka izany koa i Nanie, Tosy, Ayam, Malala ao amin'ny tarika Zay ary Johane. Samy niezaka nampiseho ny talentany sy ny maha-izy azy avokoa izy ireo narahin'ny fampiaraham- peo ho an'olon-droa sy telo efa voahomana. Ny Phenix Agency no nikarakara ity fampisehoana ity izay mbola mampanantena ny mpankafy rehetra fa hanao ny tsara kokoa hatrany.
Pati
Légende : Vahoaka tsy toko tsy forohana tahaka Izao no nanatrika Ilay fampisehoana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT