“Revy” hatrany no fantatra fa fotoana ifanomezana amin’ny tarika Mahaleo hatramin’izay. Hafa kosa, ary nahafaly ireo mpankafy ny nahafantatra fa hanao ny « Che Bel Canto » ity tarika ity.
Amin’ny maha “Che Bel Canto” azy, nampiara-peo tamina mpanakanto hafa ry Dama sy ny namany ary nanasana ireo andriambavilanitra anisan`ny sangany eto Madagasikara. Nanamarika ny fiverenan’i Nanie teo amin’ny tontolon’ny hira indray ity seho ity. Anarana efa fantatra manaraka i Inah, izay nampiara-peo tamin’i Dadah Rabel. Efa heno tao anatin’ilay hira ``Mimoza`` ihany koa ny feon’i Bodo, ka tsy zovina tamin’ireo tena mpankafy intsony. Feo vaovao ary nandrasan’ny rehetra kosa ny an’i Elsie. Toa nodiavina indray ny fahazazana sy ny fahatanorana tany amin`ny taona 1972. Ireo tanora marobe tonga teny an-toerana ihany koa nahatsapana fa efa babon`ny hiran`ny tarika Mahaleo hatrany amin`ny fahazazany. Toa izany koa anefa ireo hira tsy vaovao nefa tsy nokaloin’ny tarika matetika ary nibahan-toerana amin’ny fampisehoana kosa ireo hira tsy afaka am-bavan’ny besinimaro ary niarahana nikalo tamin-dry Bekoto sy ny tariny teny an-tsehatra. Narahin`ny mpijery avokoa ny hira rehetra ary ny tononkira rahateo nikorisa moramora teny akaikin`ny sehatra. Narahina fihetsika toy ny tanana mikopakopaka, dihy… Natambolon`ny ``Adin-tsaina``, ``Rafahafahana``, ``Hiaraka isika`` ny zava-nisy teo amin`ny mpijery tsirairay. Na dia tsy nahafeno tanteraka ny lapan`ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena tetsy Mahamasina aza ny tarika, dia tafita ny hafatra satria nahitana ireo sokajin-taona rehetra ny mpijery. Mandia ny faha-46 taona ny tarika Mahaleo ary mbola voaporofo omaly, tetsy amin`ny lapan`ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahatena Mahamasina ny maha ``ngeza`` an`izany tarika izany.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.