kolontsaina

Chandoutis Raoera “Fotoana hampiharana ny soatoavina izao ”


  • Talata 15 Septambra 2020

Aretim-be ny Coronavirus ary ny soatoavina Malagasy dia mametraka fa voalohan-karena ny fahasalamana, hoy ny mpampianatra mpikaroka momba ny politika, Chandoutis Raoera.

 

Mankasitraka ny fitondrana manome hasina hitsaboana. Mahita kosa anefa izahay, hoy izy, fa fotoana hahatongavan-tsain’ny vahoaka izao hanarahana ireo fepetra toy ny fitondrana arotava sy fampiakarana hery fiarovana. Izaho dia isan’ny manamafy ny hoe mihinana vaomaintilany miisa 7 isan’andro ao anatin’ny 10 andro, hoy izy. Mampiakatra hery fiarovana be io. Matory anaty harem-be isika nefa mahantra. Tsy misy manana ireo hazo mitsabo eto amintsika izay ahiana ho lany tamingana ireo. Ny resaka vato koa toy izany ary hitanay raha nanao hatrikasa tany Taolagnaro. Malahelo ny any atsimo hoe maninona no tsy misy politika hanampiana anay? 7 ny renirano fa raha ireo no hajariana dia afaka mamboly mangahazo aman-taoniny izahay, hoy ireo avy any atsimo, ary any aminay, hoy izy, no tena misy ny toeram-pitrandrahana na “minerais” ahafahana manamboatra fiaramanidina eran’izao tontolo izao fa mila mahalala ny fahafaha-mamokatra eto isika Malagasy ary mila fahasalamana sy Andriamanitra. Maheno izany aho, hoy izy, dia mahita fa fotoana hampiharana ny soatoavina Malagasy izao dia ny fihavanana sy fifanomezan-kasina ary firaisankina.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT