kolontsaina

CENAM 67 Ha Am-perinasa ny atelier HAR’KANTO


  • Zoma 05 Martsa 2021

Notokanana tamim-pomba ôfisialy omaly tetsy amin’ny CENAM 67Ha ny Atelier HAR’KANTO,

 

 

 ivon-toerana hahafahan’ireo mpanao asa tanana eto amintsika mianatra sy manovo fahalalana hatrany. Azo hianarana, hanarahana fiofanana, hanaovana asa iombonana ity ivon-toerana ity raha araka ny fantatra. Ny association FITIA izay tarihin-dramatoa Mialy Rajoelina no nanavao ny toerana sy namatsy ara-pitaovana izany hahafahan’ny vehivavy misitraka ny tombontsoa rehetra, indrindra fa ireo mananontena. Maro karazana ny asa azo tanterahina ao anatin’izany toy ny zaitra, ny fikirakirana rafia … Misy ihany koa ny ivon-toerana natokana handraisana olona izay tsy misy tambiny. Marihina moa fa vehivavy manana fahasembanana miisa 20 no nahazo fiofanana momba ny fanaovana mofomamy sy nahandro omaly izay notoloran’ny vadin’ny filoha fitaovana ho enti-miasa avy hatrany.

Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT