kolontsaina

CEMEA Madagascar Mpikambana miisa 6 no niofana tany Maorisy


  • Talata 29 Mey 2018

Fikambanana dimy avy aty amin`ny Ranomasimbe Indiana miampy ireo rafitra anankiroa ao Eoropa novatsian`ny Vondrona Eoropeanina vola amin`ilay tetikasa “Building Bridges” adika hoe manamboatra tetezana.

 Mampivoatra ny tanora ny mivezivezy any ivelany ka izay indrindra no antony nanaovana ny tetikasa, hoy Raharimalala Gisèle Monique, tale jeneralin`ny Fikambanana CEMEA Madagascar. Tanjona ny fanamafisana ny fiaraha-miasa sy fifanakalozana eo amin`ny samy tanoran`ny firenena aty amin`ny Ranomasimbe Indiana. Eo ihany koa ny famolavolana sy ny fivoaran’ireo fitaovam-pibeazana eo amin`ny fanentanana sy fampiofanana, araka ny fanazavana.  Fito ireo fikambanana nisitraka ny tetikasa. Andrasana, araka izany, ny fanatevenana ny fahaiza-manao eo amin`ny fandrafetana tetikasa sy ny fampiofanana. Eo ihany koa  ny fanamafisana ny paik`ady momba ny fiaraha-miasa ary ny fivelaran`ny traikefa ananana amin`ny tetikasa sosialy.  Ho an`ny CEMEAM manokana, mpikambana 6 no nandray anjara tamin`ny hetsika fifanakalozana teo amin`ireo mpanentana ara-panabeazana ny 03-09 mey tany Maorisy. Ny fiantraikany andrasana amin`ny tanora mpandray anjara, hoy Rtoa Raharimalala Gisèle Monique dia ny fanatevenana ny fahaiza-manao fototra. Eo rahateo ny fisokafan`ny tanora amin`ny kolontsaina hafa iadiana amin`ny fanavakavahana sy ny fitsarana an-tendrony. Farany, ny fahalalahan-tsaina sy fifohazam-panahy. Mbola hisy ireo lahasa hatao ny 1-10 jolay ho avy izao ka i Madagasikara no hampiantrano ny fihaonan`ny tanora eo anivon`ny ranomasimbe Indiana. Ny volana septambra kosa, tanora roa no hisitraka fivahinianana any Romania mandritra ny iray volana hifanakalo traikefa amin`ny samy matihanina amin`ny sehatry ny tanora.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT