kolontsaina

CCHA Namoaka ny andiany « Maharitra »


  • Talata 05 Novambra 2019

Sady fampahafantarana no fisehoana ampahibemaso. Toy ny isan-taona, nanpolotra seho an-tsehatra niavaka, hanehoan` ny mpianatra ny talentany sy ny fahaizana notovozin` izy ireo nandritra ny taom-pianarana ny Cours de Clavier Hery Andriatahina (CCHA).

 

Araka izany, nampahafantarina omaly alahady, tetsy amin` ny Amphithéâtre LTC Ampefiloha, ireo mpianatra aponga maroafitsoka (clavier) miisa 13, izay mitondra ny anarana hoe “Maharitra”. Andiany faha-29 ity nampahafantarina ity tao anatin` ny 16 taona nijoroan` ny sekoly CCHA. Ankoatr` izay, nanome hanitra hafa ny lanonana ihany koa ny mozika sy kalo iza noventesin` ny orkestra CLUB CCHA. Mitahiry, mikaroka ary mampita izay rehetra mahakasika ny mozika moa ny sekoly. Azo faritana hoe tahala natao hanomana ny taninketsan` ny zavakanto ity sekoly ity. Ho an` iza manam-paniriana hahafehy ny manodidina ny clavier sy ny feo dia efa misokatra kosa ny fisoratana anarana amin` ny taom-pianarana manaraka eo.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT