kolontsaina

« Carrefour de la formation des métiers et de l’emploi » Fahombiazana tanteraka, tafakatra 11.000 ireo mpitsidika


  • Alatsinainy 30 Jolay 2018

Fahombiazana tanteraka ilay hetsika « Carrefour de la formation des metiers et de l’emploi » andiany faharoa nokarakarain’ny Alliance Française tetsy Andavamamba ny faran’ny herinandro teo.

 

 Nahatratra 11.000 isa mantsy ireo mpitsidika ka tanora 17 ka hatramin’ny 25 taona ny 98 %-n’izy ireo. Tanora 6.000 isa  no nahazo tombontsoa tamin’ny fanatrehana  ilay fitsapam-pahaizana ny teny Frantsay izay nampanaovin’ny Alliance maimaimpoana ary nahatratra 6.000 ihany koa ireo CV voaangona. Ankoatra izay dia nahatratra 1.000 ireo tanora tonga nanatrika ireo  karazana kaonferansa maro isan-tsokajiny toy ny niarahana tamin’ny Topmad mikasika ny fomba hahafahana mianatra any Amerika avaratra  miaraka amin’ny Faneducation. Nambaran’ny mpikarakara fa mbola vonona izy ireo ny hanohy ny hetsika amin’ny andiany fahatelo, izany hoe amin’ny taona 2019 ary ezahiny hatrany ny hampitombo ny isan’ireo mpandray anjara. Tsiavihina fa anisan’ny nandray anjara tamin’ity « Carrefour de la formation » ity ny gazety Job eo anivon’ny vondrona Vidy Varotra. Tanjony ny nampahafantatra ny gazety sy nanome fahalalana ny tanora mikasika ireo fiofanana sy tolotr’asa hita ao anaty gazety raha nisy ihany koa ny fandraisana CV.

 Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT