kolontsaina

Carpe diem Ho ampiainina etsy Isoraka miaraka amin’ny Doubl’e’nn


  • Zoma 02 Jona 2023

Antsika izao tontolo izao», io no lohatenin’ny fampisehoana ho entin’ilay mpiangaly mozika Rap efa nanamarika ny faraparan’ny taona 1990

tany ho any ary mbola filamatrana zandrikely be dia be anatin’izay tontolo izay mandrak’ankehitriny dia i Doubl’e’nn ny 21 jona izao etsy amin’ny No comment Bar Isoraka. Fiaraha-miasany tamin’ilay mpiangaly RNB sy Soul, Roy Rakoto, sy ny «mpirap» namany dia i Buddha El Taga mitondra ny lohateny hoe «mentalisme» no nakana ny lohatenin’ny fampisehoana ary inoana fa ho avy hanotrona an’ity zokilahiben’ny firehana na «clan» Bogota ity avokoa ireo namany nampiara-peo taminy hatramin’ny taona 1998 no nankaty. Mazava ho azy, ankoatran’ireo efa voatonona teo ry Abi, tao anatin’ilay hoe «Raozy mena». Isany koa ireo akanga sisa nanamborana niara-niangaly ilay lohateny hoe «Bonetra ngoda». Ry Septic, izay niarahany niangaly ilay hoe «Mpitsidika ny tany». Zombs, ao amin’ny clan Tangala mainty, niara-nivazo ilay hoe «Sao tsy azony». Ho ampiainina eny an-toerana kosa nefa ny kolontsaina «mankafy ny anio, tsy miasa saina ny ampitso» izay noraisina tamin’ny teny latinina hoe «Carpe diem». Mbola fiaraha-miasany faraparany tamin’ilay zandrilahy taty aoriana nefa efa mametraka ny toerany anaty Rap iraisam-pirenena ary manao fitsidihana any Barcelone, Espagne, any dia i Kemyrah koa nefa izay vazo iray izay.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT