kolontsaina

Canal plus Madagascar Hanome vahana ny sarimihetsika Malagasy


  • Alarobia 25 Jolay 2018

Tsy fahita any anatin’ireny fahitalavitra avy any ivelany ny horonantsary Malagasy hatramin’izay. Hanomboka hisy eto amintsika izy ankehitriny.

Amin’ny alalan’ny Canal Plus Madagascar no hahafahan’ny isan-tokantrano mahazo tombony aminy. Hanokatra chaîne vaovao manokana mifandraika amin’izay mantsy izy ireo manomboka ny 30 jolay ho avy izao. Novegasy  no anarana nampitondraina azy io,  tetikasa iarahan’ny Canal  plus sy ireo  trano mpamokatra horonantsary eto amintsika. Anisan’ireny ny Scoop Digital, ny Avoko Production, ny Horizon Communication ary  ny agence Profiler.  Mbola andrana ihany aloha ity tetikasa ity  ka  noferana hatramin’ny 14 oktobra ho avy izao ny fahafahana mandefa azy. Miisa 25 ireo sarimihetsika Malagasy ho hita ao miampy tantara mitohy ahitana karazany enina misy andiany 220 avy. 11 herinandro no faharetany ka samy hahazo tombontsoa avokoa ireo mpanjifa ny Canal Plus rehetra manerana ny Nosy. Hahazo tombony koa ireo Malagasy manana Canal plus any ivelany toy ny any  Mayotte sy ny Nosy rahavavy La Reunion. Tanjona amin’ity tetikasa ity ny mba hampivelatra ny sarimihetsika Malagasy sy hirosoan’ireo mpamokatra ho amin’ny tsaratsara kokoa hatrany izay ezahina haharitra  mihitsy raha toa ka mahaliana ny mpanjifa. Handeha isan’andro 24 ora amin’ny 24 ora tsy miato ny chaîne vaovao Novegasy.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT