kolontsaina

C.C.H.A Ahitana fivoarana maro ny fahaizana mozika


  • Alatsinainy 22 Janoary 2018

Nanatanteraka fanompoam-pivavahana fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra ho fanakatonana ny faha-15 taonany ny Cours de Clavier et Chant Hery Andriatahina (CCHA).

 

 Mpianatra maherin’ny 250 no efa nahavita fianarana tao nandritra izay 15 taona izay ary ny andiany faha-25 no navoaka tamin’ny taon-dasa. Miisa 180 ireo mpianatra mozika sy fihirana amin’ity taom-pianarana ity. Araka ny nambaran’ny tale sady mpanorina ny sekoly, Atoa Andriatahina Hery, dia hatao fanamby mandritry ny dimy taona manaraka ny fanitarana hatrany amin’izay farany tratra ny toeram-pianarana manerana ny nosy satria any Antsirabe no lavitra indrindra hatreto. Marihina fa mitondra soa ho an’ny tsirairay ny fahaizana mozika. Rehefa mahay mozika ny olona dia mitombo ny fahaizana amam-pahalalany, mitombo ny fialamboliny sy ny fifaliany. Ny mitendry hiram-pivavahana ihany koa dia hahavitana asam-panompoana an’Andriamanitra. Natao tetsy amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga, ny alahady lasa teo ny fanompoam-pivavahana fanakatonana.

Marigny A.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT