Araka ny voasoritra ao amin’ny tetikasa Building Bridges izay natomboka tany amin’ny Nosy La Réunion ny 3-8 martsa lasa teo, ary notohizana tany amin’ny Nosy Maurice ny 3-9 mey lasa teo, dia natomboka tamin`ny alahady 1 jolay 2018 ny fihaonan’ireo tanora aty amin’ny ranomasimbe Indiana eny amin’ny foiben’ny CEMEAM (Centres d’Entraînement aux Méthodes d’Education Active de Madagasikara) Ankadikely Ilafy.
15 mianadahy ireo mpandray anjara, 20 ka hatramin’ny 35 taona, ka ahitana Malagasy miisa 5, avy any La Réunion 5, ary avy ao Mayotte 5. Tompon’andraikitra iray isaky ny firenena no mitari-dalana azy ireo. Mandritra ny 10 andro, mianatra ny miara-miaina izy ireo, hifanerasera na dia eo aza ny fahasamihafan’ny fiteny, ny fomba amam-panao. Hizatra mandrafitra fihaonan’ny tanora, mamolavola lahasa hoentina mifanabe sy miala voly, manatevina ny fahaiza-manao eo amin’ny sehatry ny fanentanana sy fanabeazana ary asa sosialy. Tonga niarahaba sy nitsidika ireo tanora mpandray anjara ny solontenan’ny ben’ny tanàna voafidy teto amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany azy sady Raimandreny omaly alatsinainy 2 jolay 2018. Nanotrona azy koa ny filohan’ny fokontany Ankadikely, ny Proviseur ny Lycée Moderne Ankadikely ary ny talen’ny CEG Ankadikely. Taorian’izay dia nisy ny fiarahana nitafatafa sy naka sary ary nofaranana tamin’ny fiaraha-miala hetaheta ny fihaonana. Nanamarika ny solontenan’ny ben’ny tanàna fa afaka manatona azy ireo tanora raha toa ka misy ny liana. Ankoatra ny lahasa fifanabeazana dia maro ny fifanakalozana ara-kolontsaina toy ny lalao, hira, dihy, vakodrazana, famadihana ary hatramin’ny ireo karazana nahandro mampiavaka ny firenena tsirairay. Hifarana ny 10 jolay ho avy izao ity fihaonana ity fa ny tetikasa Building Bridges, izay vatsian’ny Vondrona Eoropeanina, dia mbola hitohy mandra-pahatonga ny volana febroary 2019 hanaovana ny tombana farany any Mayotte.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.