kolontsaina

Boriborintany Faha-6 Niavaka ny fanamarihana ny Noely


  • Alakamisy 21 Desambra 2017

Niavaka ny fanamarihana ny Noely ho an'ny boriborintany faha-6 Antananarivo Renivohitra omaly alarobia 20 desambra teny amin'ny foibeny Ambohimanarina izay natrehan'ny ben'ny tanàna Lalao Ravalomanana sy ny mpiara-miasa aminy notronin'ireo mpiasa eo anivon'ny boriborintany faha-6 notarihan'ny delege eny an-toerana.


Fotoam-pivavahana no nanokafana ny lanonana izay niarahan'ireo vondrom-pivavahana Kristianina eny an-toerana nifarimbona. Nivoitra tao fa mitondra hafaliana ny Krismasy ary nanome modely ho an'ny zanak'olombelona Andriamanitra dia ny fanetren-tena. Ny ben'ny tanànan'Antananarivo Renivohitra Lalao Ravalomanana manokana dia niarahaba ny boriborintany faha-6 noho ny fetin'ny Krismasy sady nirary sahady ny hahatrarana ny taona vaovao 2018. Tsy nody tanam-polo nody ireo vahoakan'Ambohimanarina marobe nanatrika ny fotoana fa nizarana fanomezana toy ny vary, menaka , vatomamy. Ankoatra izay dia nitondra fanentanana ireo avy amin'ny fikambanana miady amin'ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy sy ny ankizy vavy. Nohamafisina fa tsy misy olana tsy voavahan'ny fifampiresahana satria raha herisetra valiana herisetra dia olana vaovao no vokany.

 

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT