kolontsaina

Boky vaovaon’i Jean Razafindambo Niainga tamin’ny zava-misy ny « Absurdistan »


  • Talata 07 Jona 2022

Azo jifaina amin’ny vola Ariary manomboka ny 10 jona izao ny boky vaovao nosoratan’i Jean Razafindambo mitondra ny lohateny hoe « L'Absurdistan? Ici l'enfer 261! ».

Niainga tamin’ny zava-misy marina mpiseho an-davan’andro ity tantara an-tsoratra na « Roman » ity ary entina maneho ny vokatry ny fizirizirina amina hevitra na hetsika tsy mitombina. Ny hoe « Absurdistan » moa dia anarana firenena foronin’ny saina onenan’ireo olona tsy mitombin-kevitra rehetra. Famaritana ao anaty rakibolana frantsay mihitsy io. Araka ny fanazavan’ny mpanoratra dia ny fahefana, ny hery, ny harena, ny tanjaka, ny herisetra tsy voafetra no tena ezahana hamelomana ity firenen’ireo mpanao hevi-taingina ity. Mifandraika amin’izay indrindra dia lehilahy antsoina hoe Amilcar Ramirango koa no fototry ny tantara na mpandray anjara fototra ao anatin’izy ity. Lehilahy izay diso be andraikitra loatra ary tsy mahavoarefy intsony ny tokony hifandraisana na tsia tokony hifandraisan’ireo andraikitra sahaniny. Amilcar Ramirango tsinona dia sady mpino Katolika no mifankatia amina lehilahy mitovy aminy ihany. Mpanao afera avo lenta ihany koa izy, mpanao politika goavana, anatina fiarahamonina miafina na Franc-maçon, olompirenena mandray andraikitra, vady ara-taratasy, hoy hatrany ny mpanoratra ny boky, ka tsy zakan’ity mpandray anjara fototra ity izany rehetra izany fa ho hita ao anaty tantara izay mety hiafarany, hoy hatrany ny tenany. Azo jifaina eto an-tanindrazana manomboka ny 10 jona araka izany ny tantara.
. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Rovan’Ambohitratrimo,
  • Talata 28 Aprily 2026

nahitana tavoahangy nisy pétrole

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

Hijery ny tohiny
FTT