BOKY MIFAMOTOANA AO AMIN’I KRISTY

Voadika amin’ny fiteny Malagasy, efa misy eto amintsika


  • Talata 22 Jolay 2025

Voadika amin’ny fiteny Malagasy ilay boky mitondra ny lohanteny hoe :

Mifamotoana ao amin’i Kristy” raha tamin’ny fiteny Anglisy sy Frantsay no niandohany. Efa hita eny amin’ireo toeram-pivarotam-boky eto an-drenivohitra izy io amin’ny vidiny 50.000 Ar raha 40.000 Ar kosa afak’omaly Alahady 20 Jolay. Tamin’io afak’omaly io mantsy no nanatanterahana ny fotoam-pivavahana nentina nisaorana sy niderana an’Andriamanitra noho ny fivoahan’ny boky tao amin’ny FJKM Katedraly Analakely notarihin’ny Pastera Randriamalala Emmanuelle. Nambaran’ity mpanompon’Andriamanitra ity fa any amin’ny FPMA no ahitana azy io ho an’ireo mpino any ivelany. Tanjona tamin’ny fandikana azy tamin’ny fiteny Malagasy noho izy mifamatotra amin’ny tenin’Andriamanitra sy hahafahana mifampiresaka amin’i Kristy isan’andro. Nanampy betsaka tamin’ny fanontana ny boky kosa Pastera Desire Randriamampianina mivady. Fantatra moa fa harotsaka betsaka amin’ny asa fanamboarana ny foiben’ny fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy etsy Antaninarenina ny vola azo avy amin’ny vidin’ny boky izay tsiahivina fa loharanom-bola amin’ny famokarana Baiboly maharitra. Hisy ihany koa ny ampahany hamatsiana ilay tetikasa Kristy fiainana ho antsika.
Pati
Legende : Ireo tompon’andraikitra nanatrika ny famoahana ny Boky !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT