kolontsaina

Boky hafakely ho an’ny ankizy Navoaka ofisialy tetsy amin’ny IFM ny « Aomby »


  • Alatsinainy 12 Jolay 2021

Tontosa soamantsara ny sabotsy lasa teo tao amin’ny IFM Analakely ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy ny boky ho an’ ankizy mitondra ny lohateny hoe :

 « Aomby » izay nosoratan’ i Jean Pierre Haga. Rivo Randremba izay matihanina amin’ny tontolon’ny sary vita tànana kosa no nanao ny sary, ary ny Edition Mpariaka Boky Madagasikara no nanatontosa ny famoahana. Boky sarisary iray manotolo ho an'akizy io ny boky « Aomby », izay mitantara fiainan’ ny omby , ny varotra omby, ny asan-dahalo,… Mba hampiaina azy tsara, dia natao miendrika tantara ho an’ ankizy. Amin’ny tenim-pirenena roa dia Malagasy sy Frantsay, ary efa miparitaka eny amin’ny fivarotam-boky maro ny “Aomby”. Na eo aza ny fandrosoan’ny teknolojia dia hafa ihany ny vaky boky, hoy ireo angady nanana sy vy nahitana ity boky miseho amin’ny endrika hafakely ity. Natao ihany koa moa io fotoana io mba ho fahatsiarovana ny mpanoratra sady mpihira Jean Pierre Haga izay efa nodimandry ny taona 2018, saingy na efa lasan-ko razana aza izy, dia mitoetra ho lovan’ny taranaka kosa ny soa sy ny kanto navelany.
Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT