Boky « Antson’ny fanahy », «Tsy angola »,…

Natolotra ho tahirin’ny Tranombokim-pirenena


  • Alatsinainy 27 Mey 2024

Natolotra tetsy amin’ny tranombokim-pirenena Malagasy ny zoma lasa teo mba ho tahiry sy

ho azon’ny rehetra hositrahana ny Boky miisa telo, ka anisany ny "Antson'ny fanahy" nosoratan’i Andry Kanto Mendrika. Tao anatin’ny fanazavany no nasongadiny ny fahatanterahan'ny nofinofiny hamoaka boky hatry ny fahazazany. Io boky io izay misy tononkalo maromaro ihany. Nanome voninahitra ny fotoana ny Filohan’ny Havàtsa UPEM ankehitriny Ramatoa Hajaina Andrianasolo sy ny filoha am-boninahitra Jeneraly Ramakavelo, izay samy nankasitraka ny finiavan’ireo tanora. Ny jeneraly Ramakavelo rahateo moa no nanao ny teny fanoloran’ny boky, ka fifaliana aok'izany moa ny an-drainy nitantara ny fahazazan-janany nanofy hamoaka boky. Teo ihany koa ny boky "Tsy angola" i Ni Fampita Andrianaivo, ka nambarany fa maneho ny lafim-piainana andavanandro (Tanindrazana, tenin-drazana, fitiavana, foarahamonina,sns) izay tena "tsy miangola" tokoa ny boky; saingy na tsy miangola aza ireny dia misy hamy azo ihanohana sy fanantenana ifikirana, hany ka manasongadina indrindra io hatsarana toa sombiny io ny boky. Miavaka ity boky ity satria mitahiry ireo teny efa adinodino ary misy ny fanazavana ireny teny ireny isaky ny pejy, ary ihany koa tsy mahamonamonaina ny mamaky azy satria voaravaka sary mifanaraka amin'ny lohahevitra, hoy ny fanazavana. Nasongadin’ny Jeneraly Ramakavelo izay nanao ny teny fanolorana tamin'izany fa miavaka ny fanoratr'i Ni Fampita Andrianaivo ary "asongadino foana ny fanoratra mampiavaka anao amin'ny hafa", hoy izy , izay nanipika fa toa ahiliky ny olona ny teny Malagasy ankehitriny nefa dia mahalaza tsara izay tokony ho lazaina amin'ny andavanandro; ka mahavelom-bolo ny tanora manandratra ny teny toy izao. Nanamafy kosa ny eo anivon’ny Tranombokim-pirenena fa misokatra hoan'ny hetsika ara-kolotsaina rehetra ny tranom-boky.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT