kolontsaina

Bodo, Rija Ramanantoanina, Nanie Hihaona amin’ny mpakafy any Paris


  • Alarobia 03 Oktobra 2018

Mitohy hatrany ny fankalazana ny faha-30 taona niakaran’i Bodo sy Rija Ramanantoanina an-tsehatra.

 

 

 

Hihaona amin’ny mpankafy izy ireo ary hanampy azy i Nanie izay efa mipetraka any Paris sady mankalaza ny faha-25 taona niakarany sehatra ihany koa. Feo manga Malagasy 3 ary hisy feo lafika miisa 100 izay notsongaina tany amin’ireo antoko mpihira manana ny maha izy azy any an-toerana no hanomboka ny seho amin’ny alalan’ny hira fiderana. Nanambara i Rija Ramanantoanina izay efa miaraka manomana amin’i Nanie any an-toerana tamin’ny fidirana sy fitafana mivantana tamin’ny mpanao gazety fa hohiraina daholo ireo hira hain’ny mpankafy sy nanamarika azy 3 mianadahy. Nilaza ny mpikarakara ahitana an’ny Ivenco sy Ilomboary fa 1.000 eo ho eo ny olona handrasana amin’io seho amin’ny sabotsy 6 oktobra ho avy io ao amin’ilay toerana antsoina hoe “le millénaire” any Paris. Haharitra adiny 3 mahery ny fampisehoana ary hira malagasy miisa 45 no hovetsoin’ireto andrarezin’ny mozika Malagasy ireto manomboka amin’ny 9 ora sy sasany alina. Aorian’izay dia hisy ny alim-pandihizana iarahana amin’ny DJ Rodman sy DJ Erico ho fanomezana fahafaham-po ireo Malagasy any an-toerana. Nilaza ihany koa ny mpikarakara fa hisy fihenam-bidy ho an’ireo olona mividy tapakila amin’ny tambajotran-tserasera mialoha ka ho 25 Euro raha 30 Euro ny any an-toerana.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • TARIKA
  • Alarobia 25 Novambra 2026

RATALATA-40 TAONA NIJOROANA

  • Teratany vahiny
  • Alatsinainy 23 Novambra 2026

malaza

  • Tontolon'ny
  • Alarobia 18 Novambra 2026

kabary

  • Samy
  • Alakamisy 12 Novambra 2026

tsy salama i Lego sy Bekoto

  • ROUGE 501
  • Talata 03 Novambra 2026

HATSANGANA AO TOAMASINA

  • kolontsaina
  • Talata 03 Novambra 2026

Manohy asa sosialy ny tarika Rabejean Miarinarivo

Hijery ny tohiny
FTT