kolontsaina

Bodo, Rija Ramanantoanina, Nanie Hihaona amin’ny mpakafy any Paris


  • Talata 02 Oktobra 2018

.Mitohy hatrany ny fankalazana ny faha-30 taona niakaran’i Bodo sy Rija Ramanantoanina an-tsehatra.

 

 

 

 Hihaona amin’ny mpankafy izy ireo ary hanampy azy i Nanie izay efa mipetraka any Paris sady mankalaza ny faha-25 taona niakarany sehatra ihany koa Feo manga Malagasy 3 ary hisy feo lafika miisa 100 izay notsongaina tany amin’ireo antoko mpihira manana ny maha izy azy any an-toerana no hanomboka ny seho amin’ny alalan’ny hira fiderana. Nanambara i Rija Ramanantoanina izay efa miaraka manomana amin’i Nanie any an-toerana tamin’ny fidirana sy fitafana mivantana tamin’ny mpanao gazety fa hohiraina daholo ireo hira hain’ny mpankafy sy nanamarika azy 3 mianadahy. Nilaza ny mpikarakara ahitana an’ny Ivenco sy Ilomboary fa 1.000 eo ho eo ny olona handrasana amin’io seho amin’ny sabotsy 6 oktobra ho avy io ao amin’ilay toerana antsoina hoe “le millénaire” any Paris. Haharitra adiny 3 mahery ny fampisehoana ary hira malagasy miisa 45 no hovetsoin’ireto andrarezin’ny mozika Malagasy ireto manomboka amin’ny 9 ora sy sasany alina. Aorian’izay dia hisy ny alim-pandihizana iarahana amin’ny DJ Rodman sy DJ Erico ho fanomezana fahafaham-po ireo Malagasy any an-toerana. Nilaza ihany koa ny mpikarakara fa hisy fihenam-bidy ho an’ireo olona mividy tapakila amin’ny tambajotran-tserasera mialoha ka ho 25 Euro raha 30 Euro ny any an-toerana.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT