kolontsaina

Bodo mpihira Sary hosodoko 15 no arantiny


  • Talata 02 Jona 2020

30 taona mahery izay no nanehoan’i Bodo ny talentany tao anatin’ny hira sy mozika. Amin’izao kosa dia mampahafantatra talenta hafa eny amin’ny botika Paper Stor Akoor Digue i Bodo.

 

 

 

Tsy inona izany fa ny sary hosodoko. Nanomboka tamin’ny volana janoary tamin’ity taona ity, fa indrindra, tao anatin’izany vanim-potoanan’ny fihibohana vokatry ny valanaretina Covid-19 izay, no nampoiboika an’izany fitiavany mandoko izany. Sangan’asa miisa15 no arantin’i Bodo, nanomboka tamin’ny sabotsy lasa teo ary maharitra 15 andro. Varotra fampisehoana moa izy ity, ka ny tombom-barotra ho azo dia hatolotra ho an’ny fikambanana HUG (humanity- generosity) for MADA hanaovana asa soa. Tanjona ny hampidirana na hamerenana an-tsekoly indray, ankizy miisa 300, avy amin’ny fianakaviana sahirana. Zokiolona miisa 60 ihany koa no homena bodofotsy sy akanjo mafana, hiatrehana ny ririnina. Ny Paper Store kosa, izay mpivarotra fitaovam-pianarana sy fitaovana fampiasa ao anaty birao ary fitaovana momba ny zavakanto, dia nanome ny ampahany amin’ireo fitaovana nampiasain’i Bodo, nanatontosany ny sangan’asany. Ankoatra izay dia nanolotra fitaovam-pianarana, hanohanana ny fampidirana ny ankizy an-tsekoly ihany koa, ity trano fivarotana ity. Mahafaly an’i Bodo manokana ny mizara izao talentany izao, izay nambarany fa tsy nianarany, saingy nomarihany kosa fa vonona hatrany izy ny hanatsara izany.

 

 Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT