BODO-HO ANAO

Hanao fampisehoana goavana etsy amin’ny La City


  • Zoma 28 Febroary 2025

Hifampitaona amin’ny mpankafy etsy amin’ny Food Court La City Ivandry i Bodo anio Zoma 28 Febroary

manomboka amin’ny 08 ora sy sasany alina. “Ho Anao” no lohan-teny nampitondrainy ity fampisehoana goavana hotanterahiny ity, hanokafana sahady ny faran’ny herinandro ao anatin’ny fifaliana. Nambaran’i Bodo nandritra ny tafa fohy nataony tamin’ny mpanao gazety fa hohirainy amin’ity anio alina ity avokoa ireo karazan-kira nahafantarana azy hatramin’izay. Am-polony maro izany ho fanomezana fahafaham-po ny rehetra. Ny RDJ na ny Radio Des Jeunes moa no hikarakara ny fampisehoana izay manana tanjona hatrany hanohana sy hanosika ireo mpanankato Malagasy manan-talenta. Anisan’ny efa nahafantarana azy ireo rahateo ny RDJ Mozika izay tena be mpankafy tokoa. Manome fotoana ny rehetra araka izany i Bodo anio Zoma hariva, izay faran’ny volana rahateo.
Pati
Legende : Hiavaka ny fampisehoana hotanterahin’i Bodo anio hariva etsy amin’ny La City Ivandry !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT