BLACK NADIA

Nanakoako tao Morondava ny lazany


  • Alatsinainy 16 Febroary 2026

Niverina nanakoako tao Morondava,

Faritra Menabe indray ny lazan'ny mpanankato Black Nadia ny faran'ny herinandro teo. Tao amin'ity distrika iray ity mantsy raha tsiahivina no nanokafany ny fankalazana ny faha-15 taona niakarany an-tsehatra. Nifanindry an-dalana tamin'ny fankalazana ny Fetin'ny mpifankatia izay nomarihina afak'omaly Sabotsy 14 Febroary rahateo izany ka ny masoandro mody no nampalahelo. Hira am-polony no nohirain'i Black Nadia tamin'izany, fampisehoana naharitra adin'ny telo teo ho eo. Afaka manafana lanonana any an-tokantrano na any amin'ny toeram-pilanonana koa i Black Nadia ho an'ireo izay te-hiara-paly aminy manokana. Anisan'izany ny didim-poitra, ny fankalazana ny tsingerin-taona nahaterahana, ny mariazy....Tsy volabe no aloha amin'izany hoy izy ho fahatsiarovana izao faha-15 taona niakarany an-tsehatra izao. Hatrany amin'ny an-tsasa-bidy ihany koa dia efa hahafahan'ny mpikarakara maka azy saingy ny tena hiangavian'i Black Nadia dia mba izy irery no mpanankato hiakatra an-tsehatra amin'izay toerana tokony hanaovany fampisehoana fa tsy hatambatra amin'ny mpanankato hafa. Hanatitra raikitra ho fisaorana an'Andriamanitra moa ity mpanankato ity amin'ireo toerana rehetra alehany ka misy Fiangonana Loterana Malagasy. Hijery sy hitsinjo ireo fikambanana mitaiza zaza kamboty tsy manam-piahy ihany koa izy mandritra izany.
Pati
Légende : I Black Nadia tsy afaka ao am-pon'ny mpankafy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT