kolontsaina

Black Nadia Hiverina an-tsehatra amin’izay fa efa salama tsara


  • Talata 17 Janoary 2023

Mirary taona zina ho antsika rehetra ao anatin’izao taona vaovao izao, hoy ny mpanakanto, Black Nadia. Efa miverina miasa izahay, hoy izy, ary efa mandeha ny fitetezam-paritra.

Misy efa namandrika daty ary hampirisihina hanao izany aloha isika izay mbola te hamandrika. Efa salama tsara ny tenako ary efa manaraka fitsaboana na “traitement”. Maorisy, Mayotte, Seychelles, Dubai, Nosy be sy ny tariny izao no fandaharam-potoana akaiky indrindra. Izany hoe fitetezam-paritra iraisampirenena no ho tanterahana manomboka ny fiafaran’ity volana janoary ity. Ho avy koa ny eto an-tanindrazana ary misy dia misy ny vokatra vaovao izay efa misy sombiny any amin’ny tambazotran-tserasera any. Tsy ho ela dia hivoaka ny horonantsary mikasika izay hira vaovao izay. Somary niverina kely amin’ny gadona malagasy indray io. “Ravoravo” no lohateniny ary manentana antsika hoe mifalia fa mbola velon’aina. Ba gasy mihitsy, izany hoe, salegy mogodro moa no gadona iangaliana ity vokatra vaovao ity dia nafangaro mangaliba, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT