kolontsaina

Black Nadia Hitety an’I Eoropa


  • Alakamisy 07 Jolay 2022

Saika 28/30 andro izahay dia manana praograma foana saingy mba naka aina kely 5 andro tamin’ity dia andeha indray izao, hoy ny mpanakanto Black Nadia.

6 taona ihany koa izao no nisian’ny BN Production izay tantanako saingy tamin’izany tsy nisy artista hoe natosiko fa fampiaraham-peo na “featuring” foana no nataoko. Manomboka eto kosa dia tena hoe hanampy mpanakanto amin’ny alalan’io koa ny tenako. Hitety an’I Eoropa sy La Reunion, Maurice, Mayotte, Dobay ary misimisy maromaro ankoatran’izay ny tarika Black Nadia. Hivoaka foana izahay manomboka amin’io septambra io. Feno na “au grand complet” hatrany ny tarika satria aleo manao zavatra tsara na mety ho maty vola aza ho an’ny mpankafy. Ho avy ny vokatra vaovao saingy mbola tsy lany mamy aloha ireo vokatra farany na “tube” dia ny “Masaka am-potony”, “BB” ary ny Cover kalon’ny fahiny farany iny. Alohan’ny fetin’ny taom-baovao indray vao hamoaka vokatra manaraka mba hisy fafiny ho an’ny mpankafy, hoy hatrany I Black Nadia.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT