Lasa resabe na tonga amin’ilay antsoin’ny vahiny hoe “buzz” tao amin’ny
tambajotra facebook ny resaka peta-drindrina mikasika ny mpanakanto Stépahanie, Big MJ, ary Firmin omaly. Mikasika fanafanana hetsika amin’ny alin’ny faran’ny taona eny amina trano filanonana lehibe Espace Lion d’Or eny Anosy Avaratra izy io ny 31 desambra. Namoaka tao amin’ny tambajotran-tserasera i Stephanie hoe: “Tena mampihomehy, ary mahamenatra ny toetran’ity artista manova affiche ity. Ny organisateur (mpikarakara) manao affiche hafa, izy ihany koa ato ambadika mamoaka sary satria tsy eo anivo hono ny sariny; tena tsy mahalala menatra, fa maninona raha manao organisation dia izay tianao no ataonao, pffff”. Io no setriny nataon’i Stéphanie teo anatrehan’ny fahitany fa namoaka “affiche” hafa vaovao nataony i Big MJ satria i Stéphanie no eo afovoany (anivo) ao amin’ilay nataon’ny mpikarakara ny lanonana. Namaly bontana kosa I Big MJ hoe: “Oh ry kiala Stéphanie a! rehefa tsy faly amin’ny affiche-ko na “concept” nataoko tena dia manaova ny “version” tianao na mijanona amin’izay nataon’ny “organisateur” fa matoa novaiko dia tsy tiako, ary volako nanaovako azy fa tsy volanareo e! ary zoako ihany koa ny manova ny tsy tiako, izay tiko io koa! Mila zavatra “professionnel” ny aty fa tsy hoe mitomany atao agnivo izany ry neny a! Ilay toe-tsainao mihitsy no tena mampalahelo. Mamoaka “tube” ny tokony hataonao raha ohatra ka .... fa tsy mitady “buzz” eo ehhhh tssss, Hay moa aretina marina ilay hoe hilaozany laza, viloma! Resaka affiche ve mampitomany anareo eh! Ry public hajaina aiza amin’ireto affiche ireto no tianareo”. Io no teny nataon’i Big MJ, izay namoaka ireo “affiches” samihafa. Asa aloha na sarin’ady hoentin’ireto mpanakanto roa ireto mampiakatra ny lazany na teraka tokoa ny tsy fifankahazoana noho ny resaka “affiche”. Zary lasa resabe sy niteraka vazivazy samihafa ity resaka ity. Andrasana na hiara-hanao fampisehoana izy ireo amin’ny 31 desambra na hisy ny fiovana. Miandry izay mety ho fivoaran’ity resaka ity ny rehetra, fa mafimafy ny vava nifanaovana, raha tsy hoe sarin'ady angaha. Na dia izany aza dia tsy mba afaka nifampiresaka ve fa dia tsy maintsy mifandramatra anaty facebook.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.