kolontsaina

Bibilava nompian-dry Spydee Naterina any Ankarafantsika I Zig


  • Alarobia 02 Aogositra 2023

Nanapa-kevitra hanatitra ilay bibilava “boa” nantsoiny hoe Zig any amin'ny fitoerana natoraly mendrika azy i Rajaonah Imanoela na Spydee sy Kym vadiny,

araka ny fampahafantarana nataon’izy ireo tao amin’ny tambajotran-tserasera. Biby lava tena lehibe izy io, ary voalaza fa 2 taona teo izay no niompian'izy mivady ity boa ity tao an-tranony. 1m35 ny halavany ary 1,750 kg izy no tonga tao aminy, ary efa takatra 5 kg sy mirefy 2m izy io ankehitriny, ka tsy omby azy intsony ny trano nametrahana azy. Tany amin'ny alan'Ankarafantsika no nosafidiany nanaterana nanaterana ity karazana bibilava lehibe ity. Nandeha lalana 500 km tamin'ny moto izy mivady ary nataony teo am-balahany i Zig, ka tamin'ny voalohany fotsiny izy, hoy i Spydee, no nikofoka fa avy eo nahazo aina sy tony tsara nandritra ny adiny 9 nandehanan'izy ireo. Samy nalahelo izy mivady ary nitomany mihitsy nisaraka tamin'ity biby ity fa nahafoy satria izay no mendrika azy, hoy izy ireo. Somary niteraka adihevitra moa ity tranga ity. Tany am-boalohany dia nisy ny nanakiana, fa tsy tokony hotazomin’izy ireo io bibilava io. Rehefa naterina amin’ny toerana natoraly indray dia hoe: nalefa hovonoina ve? Raha ny lalàna moa, dia tsy azo atao ny miompy azy ireny, saingy tsy vitsy ireo olona mety miompy azy. Isan’ireo biby efa an-dàlana ho lany tamingana itony karazana bibilava itony, ka tokony ho hentitra ny fiarovana azy fa tsy sanatria hovonoinoina fahatany sy hazaina satria misy ihany kosa ny sokajin’olona mihinana azy ireny amin’ny faritra sasany. Nisy ihany koa moa no nanamarika hoe: sao dia tokony ho tao amin’ny valan-javaboahary tao Tsimbazaza no nametrahana ity biby ity amin’izay mba azo arahi-maso tsara?
Nangonin’I Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT