kolontsaina

Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana Nampifalifaly ireo ankizy teny Analakely


  • Talata 19 Desambra 2017

Ankatoky ny fetin’ny krismasy isika amin’izao fotoana ka tsy adinon’ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny nampifalifaly ireo ankizy miisa 150 isaky ny boriborintany,

hetsika sy asa sosialy efa fanaon’ny eo anivon’ny kaominina. Ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana mihitsy omaly  tolakandro no niara-nikorana sy ny nifaly tamin’ireo ankizy sy ray aman-dreny maro be teny amin’ny Parvis Analakely. Nomarihana tamin’ny fotoam-pivavahana nataon’ny Pasitera Dina mpitarika ny vondrombavaka eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny hetsika. Anisan’ny nanafana ny lanonana ny tarika Christophe Ratrema sy Mialy Rakotomamonjy tamin’ny alalan’ny hira ara-pilazantsara natolotra manokana ho an’ireo ankizy. Nizara vatomamy sy bisikitra ho an’ireo ankizy rehetra tonga teo ihany koa ny ben’ny tanàna ary nanararaotra sahady nirary soa azy ireo hahatratra ny asaramanitra sy hanao fety sambatra.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT