BAZAR DE NOEL 2024

Mbola mangina ny etsy Mahamasina


  • Alarobia 18 Desambra 2024

Mangina tanteraka ny Bazar de Noel taona 2024 karakarain’ny Kaominina Antananarivo renivohitra etsy Mahamasina.

Nanomboka afak’omaly Alatsinainy 16 Desambra izy io raha araka ny fanadihadiana natao ary tsy hifarana raha tsy ny 30 Desambra ho avy izao. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina mpivarotra iray dia mbola maina aloha ny tsena hatreto. Ratsy noho ny tamin’ny taon-dasa indray aza hoy izy ireo izay tena ahitana taratra fitontongan’ny fari-piainan’ny mponina tokoa. Amin’ny faran’ny herinandro sisa araka izany no mba fotoana kely antenain’izy ireo hampandeha ny tsena. Manodidina ny 100 latsaka eo ho eo ireo trano mandray anjara amin’ity Bazar de Noel karakarain’ny Kaominina ity. Na dia eo aza ny fahasahiranan’ny mponina dia anisan’ny tsapa sy hita taratra ihany koa ny halafosan’ny vidin’entana. Tombanan’ny mpivarotra 70.000 Ar ny tee-shirt iray lamaody ho an’ny tovolahy.
Pati
Legende : Santionany amin’ireo mpivarotra mandray anjara amin’ny hetsika !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT