kolontsaina

Baobab Malagasy Ampirantiana any Seoul – Korea Atsimo


  • Alatsinainy 19 Oktobra 2020

Isan’ny anaovana fampirantiana ao Seoul any Korea Atsimo ny sarin'ny baobaban i Madagasikara ao Seoul- Korea.

 

 

 

 "Sendra mba nandeha nitsangatsangana an-tongotra ny hariva aty Seoul iny no nahita ny lalana miravaka sary eraky ny tanana. Dia mba faly ery ny tena fa nisy toerana iray manontolo momba ny baobab an'i Madagasikara. Ny Koreana tena tia an'i Madagasikara, tsy dia nahagaga ihany koa ny nahitana ireo sary satria misy namana Koreanina vitsy vitsy izay mpaka sary tany Madagasikara ihany koa”, hoy ny fitantarana. “Rehefa tena nojerena anefa hoe iza ilay mpaka sary, nientana ny fo nahita ny anarana Malagasy, tsy iray tsy roa fa maro. Anisan'izany i: Fidisoa Ramanahadray, Toky Rasolofoarimanana, Toky Lytah,...”, hoy hatrany ny fitantarana momba ity fankafizan’ny vahiny ny harena voajanahary mampiavaka an’i Madagasikara ity. Marihina fa misy ireo mpikarakara dia ara-pizahantany Koreanina Tatsimo mametraka ho isan’ny tolo-kevitra voalohany amin’ny toerana tsara sy mahafinaritra tokony hotsidihina, dia ny allée de baobab Morondava sy ireo toerana misy baobab, izay milahatra amin’ireo toerana malaza tahaka ny Lac de Rotorua any Nouvelle Zélande, ny Bougainvilleas any Bodrum Turquie,…

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT