kolontsaina

Awards Novegasy Naato noho ny olana ara-tenika ny fifidianana


  • Zoma 10 Martsa 2023

Efa 3 taona nisesy izao no nisian’ny fifidianana ireo sarimihetsika maro mpankafia sy mpilalao maro mpakafia izay antsoina hoe “Awards Novegasy”.

Hatrany am-boalohany dia nahenoana fimenomenomana foana ny valin’io fifaninanana, raha ny fitantaran’ireo mpisehatra eo amin’ity tontolo iray ity satria izay sarimihetsika na mpilalao neverina fa tena nankafizin’ny mpankafia dia tsy mba nety voafidy ho laharana voalohany hatrany fa ireo tsy ampoizina noho ny antony mampiahiahy no tafakatra hatrany saingy tsy misy porofo moa dia neken’ny be sy ny maro hatrany izay vokatra nivoaka, hoy ny fampitam-baovao voaray. Tamin’ity andiany faha 3 ity kosa, izay fifidianana nanomboka ny 1 martsa 2023 dia toa nety tsara ihany tany am-piandohana, saingy rehefa hitan’ireo zatra ny lalan-dririnina, angamba fa sarotsarotra ny fifaninanana, hoy hatrany ny fitarainana voaray, dia nampiasa ny teknolojia araka ny fahaizany avy ireo mahitahita an’izany ka na dia voalaza fa any ivelan’I Madagasikara no mpamorona ny vovonana izay hisian’ny fifaninanana ka azo antoka tsara ny tsy hidiran’ireo mpangalatra sy mpanao piraty dia vitan’ny malagasy ihany ny nitsofoka sy nanakorontana izany fifidianana izany. Omaly dia namoaka fanambarana ofisialy, hita tao amin’ny tambazotra facebook ny Novegasy fa ahato aloha ny fifidianana amin’io fifaninanana Awards io. Tokony handraisana lesona ny tranga tahaka izao, hoy ireo mpankafy sy mpanaraka akaiky ny sarimihetsika Malagasy satria io Malagasy mpankafy io dia efa mahay mijery tsara ny atao hoe sarimihetsika tsara sy ankafiziny fa tsy terena ao anatina fifidianana ohatran’izao ka manjary ny fahaizana mampiasa ny teknolojia sy ny vola no mitondra ny valin’ny fifidianana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT