kolontsaina

Avoko production Vita ny fanodinana sarimihetsika tany Dubai


  • Talata 23 Aogositra 2022

Tafaverina teto an-tanindrazana ny faran'ny herinandro teo ny ekipan'ny Avoko production rehefa nanao fanodinana sarimihetsika nandritry ny tapabolana tany Dubai.

Mbola tafiditra ao anatin'ny famaranana ny fankalazana ny faha20 taona an'ity trano mpamokatra sarimihetsika malagasy ity izany ezaka lehibe izany. Na Dia tao anaty hafanana tanteraka aza tany an-toerana dia vita soa aman-tsara ihany ny fanodinana ka tao an-tananan'i Dubaï Mall, Al Rigga street, Désert de Safari no nanatanterahana izany, raha ny fampitam-baovao hatrany. Vokatra izay ho hitan'ny mpankafy ao amin'ny Canal plus NOVEGASY moa izao nahodina tany Dubaï izao ary nanaovan'ny ekipan'ny Avoko production andrana ihany koa eo amin'ny fanatsarana sy fanomezana fahafaham-po ho an'ny mpanjifa. Maro be ny vokatra efa miandry sy ny vao an-dalam-panodinana satria ny tanjon'ity trano mpamokatra sarimihetsika malagasy ity ny hahatonga ny sarimihetsika ho indostria mihitsy eto Madagasikara. Ankoatran'ny mpitantana ny orinasa dia ireo mpilalao ao amin'ny Avoko production izay efa matihanina no nanodina ny sarimihetsika tany an-toerana. Hanavao sy hanatsara ny fitaovana indray no dingana manaraka satria dia voaporofo fa vahoaka malagasy an-tapitrisany no manaraka tsy tapaka isan'andro ny vokatra atolotr'izy ireo ka rariny, hoy hatrany i Avoko, izay mpitantana ny orinasa raha hatsaraina hatrany ny kalitao atolotra azy ireo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT