kolontsaina

Association des libraires de Madagascar Miezaka manome lanja hatrany ny vaky boky


  • Zoma 12 Oktobra 2018

Miezaka manome lanja hatrany ny vaky boky ny “Association des librairies de Madagascar”.

 

 

 

 Manatanteraka varotra fampirantiana etsy amin’ny tranombokim-pirenena Anosy izy ireo nanomboka omaly alakamisy, haharitra hateloana.  Ankoatra  ireo karazam-boky maro isan-tsokajiny  anefa  dia hita eny an-toerana ihany koa ireo fitaovam-pianarana maro samihafa, amin’ny vidiny mirary. Nambaran’ireo mpikarakara fa ny hamerenana indray ao am-pon’ny olona ny fitiavana boky no tena tanjon’izy ireo, manoloana ny firoborobon’ny teknolojia misy ankehitriny arahin’ny fanampiana ny ray aman-dreny amin’ny fividianana fitaovam-pianarana ihany koa. Anisan’ny mandray anjara amin’ity hetsika ity moa ny Institut Français de Madagascar, izay manana tranoheva ao an-toerana mandray ireo olona  tia mamaky boky rehetra, miaraka amin’ny toerana mifandraika amin’izany. Lohahevitra nampitondraina ny hetsika ny hoe : fihaonambe momba ny soratra, ao anatin’ny fidiran’ny mpianatra. Nanokatra ny hetsika ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny kolontsaina sy ny vakoka.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT