kolontsaina

Asaramanitry ny taom-baovao Samy niezaka nifaly tamin’izay teo am-pelatanany


  • Alatsinainy 02 Janoary 2023

Na tsy dia tsapa ho somary nihena aza ny fivezivezena dia tsapa fa marobe ihany ireo olona, fianakaviana nisafidy ny hivoaka kely omaly 1 janoary.

Tazana ho hipok’olona ohatra ny teny analakely, soarano, Behoririka, Ambondrona ary Ambohijatovo raha ho an’Antananarivo renivohitra.Tsy latsak’izany ihany koa ny zava-nisy teny amin’ireo kaominina manodidina toa an’Atsimondrano, Avaradrano, Antehiroka, Ivato sy ireo toerana azo hisitahana sy hitsangatsanganana kely tahaka ny eny amin’ny by pass sy manakaiky ireo lalam-baovao. Tsy tena hoe nisy fiomanana be fa mba maka rivotra sy manal’azy kely ary miezaka mamangy sy miarahaba nyfianakaviana, hoy ireo olona izay nanontaniana. Teo ihany koa ireo namonjy fiangonana vao maraina aloha, izay vao nikarakara sakafo atoandro ka na nifampitaona tao amina tokantrano iray ny fianakaviambe iray manontolo na nivoaka kely tany ambanivohitra dia nanao karazana fitsangatsangana naraha kilalao iombonana.Marina fa mafimafy ny fiainana izao fa tsy maintsy mba manokana fotoana hialana vooly kely ihany kosa, hoy ny renim-pianakaviana iray.Anio talata moa dia efa miverina amin’ny laoniny ny asa, na ho an’ny fanjakana io na ho an’ny sehatra sy miankina.Ireo olona miasa tena moa dia na omaly 1 janoary aza dia efa maro no tsy maintsy niasa rehefa avy niato kely ny faran’ny taona. Raha fintinina dia samy mba niezaka nifaly amin’izao vanim-potoan’ny asaramanitra izao aloha ny isan-tokantrano, amin’izay eo am-pelatanana fa rehefa miverina miasa rehefa avy eo, tsy ho afaka ny hoe hiala voly sy hifampitaona ami’ny fianakaviana intsony raha tsy any amin’ny paska any indray.
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT