kolontsaina

Asa tanana vita amin’ny landy Manomboka manahirana ny akora fototra


  • Alatsinainy 07 Aogositra 2017

Asa iray anisan’ny mamelona fianakaviana an-jatony ny fanaovana asa tanana vita amin’ny landy eto amintsika.

 

Tafiditra ao anatin’izany fambolena azy ka hatrany amin’ny fanenomana azy hanjary ho lamba fitafy sy kojakoja toy ny kiraro sy pôketra. Manana olana amin’ny resaka akora anefa ireo fianakaviana mivelona amin’ity asa ity ankehitriny, antony mampidangana ny vidin’ny lamba landy eny an-tsena. Raha araka ny fanazavan-dRtoa  Anjara Rakotomalala, izay mpanao landy malaza eto an-drenivohitra dia samy voakasik’izany avokoa na ny landikely na ny landibe. Ho an’itsy voalohany ohatra dia vanim-potoana tsy mampisy azy ny ririnina tahaka izao. Ho an’ny landibe kosa indray dia manomboka manahirana ny mitady azy noho ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny firongatry ny doro tanety. Maharitra  iray volana anefa ny fiompiana landy mpivady iray, ary in’efatra ao anatin’ny taona ihany no afaka manao izany ireo olona mpamokatra izany. Ankoatra izay dia mitaky fahadiovana sy fitiavana ihany koa ary olona mahay mifanara-tsaina ny landy raha tiana ho tratra hatramin’ny farany ny tanjona. Herinandro ihany  koa raha araka ny fanazavany hatrany vao mahavita lamba landy iray ny olona iray amin’ny fanenomana azy fotsiny izay hampiasana ny tanàna tsy misy fangarony. Tsiahivina moa fa manomboka amin’ny 25.000 Ar ka hatramin’ny 350.000 Ar ny vidin’ny lamba landy iray eny an-tsena amin’izao fotoana izao raha mahatratra 2 hetsy Ar kosa ny vidin’ny pôketram-behivavy iray.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT