ASA TANANA

Misedra olana amin'ny fitadiavana akora


  • Talata 07 Jolay 2026

Olona an-tapitrisany no mivelona

amin'ny fanaovana asa tanana eto amintsika. Samy mañana ny sehatra hiasany avy izy ireny amin'ny ankapobeny. Ho an'ireo mampiasa ny akora rofia dia fantatra fa tena misedra olana tanteraka izy ireo ankehitriny. Misy mandroaka ary manondrana any ivelany avokoa mantsy ny ankamaroan'izy ireny hany ka hifampitadiavana ireo sisa tavela eto an-toerana. Midangana vokatr'izany ihany koa ny vidiny. Tafakatra 20.000 Ar ny iray kilao amin'ny rofia nefa mbola mividy loko, miankina amin'ny filan'ny moanjifa sy ireo kojakoja hafa ihany koa. Efa tena mankafy ny asa tanana Malagasy anefa ny ankamaroan'ny mpiray tanindrazana ankehitriny raha araka ny fanazavan-dRtoa Hanta, indrindra fa ny vehivavy. Nanosika sy nampahazo vahana izany rahateo ny fanentanana momba ny fanaovana fanamiana gasigasy nataon'ny Filohan'ny fanavaozana ny kolonely Randrianirina Michael talohan'ny fankalazana ny Fetin'ny 26 Jona teo. Ankoatra ny satroka vita amin'ny rofia dia tena tian'ny vehivavy tokoa ny poketra. Manomboka amin'ny 20.000 Ar no vidin'ny iray ka hatramin'ny 100.000 Ar. Niakatra hatrany amin'ny 50% ny vola niditra tamin'izy ireo noho izany talohan'ny fetin'ny fahaleovan-tena teo. Tsy nijanona teto Madagasikara ihany mantsy izy ireo no nivarotra fa nanondrana tany ivelany ihany koa namaly ny filan'ireo mpiray tanindrazana any an-toerana. Miantso ny Fitondram-panjakana mba hijery akaiky ny akora rofia ireo mpanao asa tanana mivelona amin'izany noho izany. Lohalaharana ireo mbola tsy afaka manondrana mankany ivelany.
Pati
Légende : Santionany amin'ireo as tanana vita Malagasy hamidin-dRtoa Hanta

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT