kolontsaina

Asa tanana Malagasy Mihavitsy ny akora ampiasaina fa raofin’ny vahiny


  • Alarobia 03 Mey 2017

Misedra olana goavana ny amin’ny havitsian’ny akora hampiasainy amin’izao fotoana izao ireo mpanao asa tanana eto amintsika.

Tafiditra ao anatin’izany ireo mampiasa hoditra toy ny hoditr’omby, ondry, osy raha eo ihany koa ny bibilava sy ny voay. Ho an’ny omby manokana dia efa iaraha-mahalala ny fanondranana tsy an-kiato mihatra amin’izy ireny izay tena  mampitaraina fatratra ny fikambanana miaro ny zon’ny mpanjifa sy ireo olona eny ifotony tokoa. Misy fiantraikany goavana any  amin’ireo mpanao asa tanana miezaka manome lanja ny vita Malagasy izany.  Miakatra mantsy ny vidin’ny akora ampiasain’izy ireny, hany ka miakatra koa ny vidin’ny vokatra. Ireo teratany vahiny raha araka ny fanazavan-dRamiarintsoa Jean de Dieu, mpivarotra entana vita amin’ny hoditra etsy amin’ny Cenam 67 ha no tena maka ireo karazan’akora ireo eto amintsika ary mampiasa izany any amin’ny faritra misy azy. Amin’ny ankapobeny anefa dia nomarihiny fa mahavelona tsara ny asa tanana Malagasy, indrindra fa ny fanamboarana pôketra sy kapakely.  100 % ny tombony azo rehefa tena mety ny atao. Miantso ny fitondram-panjakana izy ireo hijery akaiky ny zava-misy.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana KaratĂ©
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT