ASA TANANA MALAGASY

Mampiditra harin-karena


  • Alakamisy 11 Jona 2026

hatrany amin'ny 15%

Tena mañana ny toerany sy ny lanjany ny asa tanana Malagasy eto amintsika. Ankoatra ny maha-ambasadaoro sy masoivoho hahalalan'ny olona an'i Madagasikara any ivelany any amin'ny alalan'izy ireny mantsy dia nambaran'ny Ministry ny Fizahantany sy ny asa tanana Lilie Rafaralahy omaly fa mampiditra harin-karena hatrany amin'ny 15% ihany koa ny asa tanana. Mila tosika sy fanampiana avy amin'ny Fitondram-panjakana izany hoy izy mba hahatonga azy ho loharanon-karena maharitra eto amin'ny tany sy ny firenena. Nambaran-dRtoa Ministra moa fa zavatra teloloha hatreto no tokony hanampiana ireo mpanao asa tanana Malagasy izay efa mahatratra an-tapitrisany maro manerana ny Nosy. Voalohany ny fampanarahan-dalana azy ireny. Faharoa ny fitadiavana lalam-barotra ary fahatelo izay tsy kely akory dia resaka fanofanana.... Nomarihina omaly Alarobia 10 Jona teny amin'ny Maining Business Center Ivato ny andro iraisam-pirenena ho an'ny asa tanana. Trano eva am-polony no nandray anjara tamin'izany izay samy nampiseho sy nampiranty ny hakanton'ireo asa tanana Malagasy. Mbola nitohy tamin'ny velan-kevitra maro samihafa izany omaly hariva.
Pati
Légende : Rtoa Lilie Rafaralahy, Ministry ny Fizahantany sy ny asa tanana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT