ASA TANANA

Aranty any Venise ireo maketin-tsambo malagasy


  • Zoma 09 Aogositra 2024

Handray anajara amin’ny fampirantiana la Biennale « homo faber » any Venise amin’ny 1-30 septambra

ho avy izao ireo maketin-tsambo (Maquette de bateaux) novokarin’ny le village etsy Ambohibao. Miisa 6 ireo amakety ho aranty manditra io iray volana io ary raha ny nambaran’ny mpitantana ny orinasa le village dia ireo maketin-tsambo tena nampiavaka azy ireo nandritra ny 31 taona nisiany no ho aseho mandritra izany. Ao amin’ny nosy kely iray antsoina hoe San Giorgio any Venise no hanatanterahana ny fampirantiana ary mpanao asa tanana 400 mahery avy amin’ny firenena 50 mahery no hitondra ny fahaiza- manaony ao. Ny orinasa le vilage izay isan’ireo orinasa mpanao maketin-tsambo manana ny toerany eto Madagasikara sy any ivelany nandritra ny 30 taona mahery nijoroany. Olona ambony sy manan-kaja maro maneran-tany no efa nisafidy ny ansan’izy ireo ary mbola tsy mitsahatra mikaroka ny tsara kokoa hatrany ireo mpanao asa tanana malagasy ao ankehitriny. Ny fonds Yavarhoussen sy ny fondation Micheangelo kosa no nanao ny fisafidianana ka nahatonga ny le village tafiditra handray anjara amin’izao fampirantiana goavana izao .Ireo fikambanana 2 ireo izay samy manana tanjona ny hampivoatra sy hampisongadina ny asa-tanana sy ny fahaiza-manaon’ny mpanakanto eto Madagasikara sy maneran-tany.
Solotiana R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT