Asa soratra ho an’ny fiovana miabo

Nivoaka ny « Kristiana misaina, mirotsaka, manova fiarahamonina mibiloka »


  • Alakamisy 07 Martsa 2024

Ho anjara amin'ny fanabeazana sy fampitaovana ny kristianina hiatrika

ny fiarahamonina mba hitondra fiovana miabo, no antony nanoratako izao boky izao mba hisongadina ny kristiana sy ny Fiangonana amin'ny fampiainana ireo soatovina araka ny Soratra Masina eny amin'ny tontolo misy azy, hoy i Hubert Rakotoarivony, Mpitandrina, Andraikitry ny rehetra ny fikendrena ny mahasoa ny fiarahamonina ary natao ho anjara biriky ho amin'izany izao boky fanabeazana izao, izay nampitondraina ny lohateny hoe hoe « Misaina, Mirotsaka, Manova fiarahamonina mibiloka ». Tao amin'ny ivontoerana kristiana, Notre Oikos, Tsiadana no nanatanterahana ny fampahafantarana ary ny trano famoaham- boky, Edisiona TENY, no nanonta ny boky. Voizina moa ankehitriny ny fiheverana fa natao hiaina ny finoany manokana ny tsirairay ary anisany voakasik'izany ny finoan'ny kristiana. Voizina miaraka amin'izany ny famerana ny firotsahan'ny kristiana amin'ny sehatra fampandrosoana ny fiarahamonina ary anisany ahatarafana izany fomba fisainana izany ireo adihevitra momba ny fandraisan'ny kristiana anjara eo amin'ny sehatra politika ohatra. Hanitsy ireo fiheveran-diso izay marnetra ny firotsahan'ny kristiana eny amin'ny fiarahamonina sy haneho aminy ireo fomba ahafahany mirotsaka an-tsehatra ary miantraika no tanjon'ny mpanoratra amin’ny alalan’ity boky ity. Noho ny faharesen-dahatra fa nantsoina hitondra fiovana miabo eo amin'ny tontolo izay nametrahan'Andriamanitra azy ny kristiana tsirairay, dia mitaona ny kristiana ho mpisehatra mitondra vahaolana eo amin'ny fiarahamonina ity boky ity fa tsy ho mpamakafaka sy mpitazana fotsiny ihany. Natao ho an'ny olona rehetra izay liana amin'ny foto-pinoana kristianina ihany koa ity boky ity, indrindra ireo mpanabe sy mpitondra fivavahana ary ireo mpitarika isan-tsokajiny eto amin'ny firenena. ENCADRE Mpitandrina Fjkm i Hubert Rakotoarivony, fantatra kokoa amin’ny resaka fampianarana sy fampihofanana momba ny « Leadership » tany Afrika sy teto Madagasikara izy. Nisy ireo nifanampy sy nifanome tanana taminy tamin’ny fanatontosana ity boky ity ka anisan’izany i Zaka Andriamampianina, mpitandrina ary mpikambana ao amin’ny birao foiben’ny Fjkm.
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT