kolontsaina

Asa fanaovan-gazety Nodimandry i Dany be


  • Zoma 03 Septambra 2021

Misaona indray ny tontolon’ny fanaovan-gazety sy ny fikirakirana sary an-gazety na “photo journal” satria dia niamboho teo amin'ny faha 86 taonany omaly

 ny sojaben’ity tontolo ity dia Ny Andriana Rakotoseheno Daniel na i Dany Be, mpaka sary, mpanao gazety. Nandritry ny 57 taona izy no nisehatra teo amin’ny fanaovan-gazety, indrindra, ny fakana sary an-gazety. Maro ireo namana teo anivon’ity tontolo ity taty aoriana no nandray traikefa sy fiofanana ary lesona tamin’izany Dany be izany. Isan’ny nilomanosany ny sampan-draharaha Frantsay momba ny sary “Gamma et Sygma” ary nialoha izao fodiamandrin’izao aza dia mbola nisahana andraikitra teo anivon’ny “Centre de resources des medias” teto an-tanindrazana ny tenany. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana sy ireo akaiky ity andrarezin’ny sary an-gazety Malagasy ity rehetra ny gazety Tia tanindrazana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT