kolontsaina

Aron’ny harem-bakom-pirenena Malagasy « Tandindomin-doza ireo vakoka eto Antananarivo »


  • Alarobia 27 Mey 2020

Nivoaka tamin’ny fahanginany ary nanao fanambarana omaly ny fikambanana « Amis du patrimoine de madagascar» na Aron’ny harembako-pirenena

 

 

malagasy manoloana ny zava-misy miteraka resabe ankehitriny mikasika ny lapan’i Manjakamiadana sy ny rovan’Antananarivo. Nankasitrahan’izy ireo ny finiavan’ny fitondram-panjakana hamelo-maso ireto lapa sy rova ireto satria toerana manan-tantara, misy ireo fasana, tranoeva sy lapa faha mpanjaka, ny havoana avo indrindra eto Antananarivo, hoy izy ireo. Toy ny olom-pirenena rehetra dia nino ny APM fa hampanarahana ny maritrano nandrafetana azy ny fanarenana, araka ny maha izy azy, ireo trano manan-tantara rehetra mandrafitra ny Rovan’Antananarivo, izay nolovaintsika tamin’ireo razambe ary lova hapetraka ho an’ny taranaka araka ny fanambarana tamin’ny 9 martsa 2020. Nangatahanay ny tsy hanovana ny endriky ny toerana amin’ny maha izy azy sy ny hanajana ny hasin’ny Rovan’Antananarivo, izay sady kiadin’ny Tanànan’ny Arivo lahy tsy maty indray andro no reharehan’ny firenena manontolo, hoy ny APM, kanjo tsy izay no nitranga fa kianja izay tsy misy hifandraisany amin’ny tantara sy ny kolontsaina malagasy no napetraka. Manoloana izany anefa dia nanamafy ity fikambanana ity fa tsy hitsahatra ny hanaitra ny fitondram-panjakana ny amin’ny tena hiarovana sy hampanjariana marina ireo vakoka eto Antananarivo izay hita ho tandindomin-doza, raha ny fijerin’izy ireo azy.

 J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT