kolontsaina

Arikaomisa Randria sy ny ekipany Namoaka mpiofana momba ny teatra, kabary,…


  • Alakamisy 23 Jona 2022

Tontosa ny dingana voalohany amin’ny fanofanana maharitra iray volana mikasika ny filalaovana tantara amin’ny onjam-peo,

 ny sarimihetsika, tantara an-dapihazo ary kabary izay niarahan’ny Malagasy efa ela nilomanosana tamin’izany sy efa be traikefa ao anatin’ihany koa izay notarihin’ny anarana efa diso fantatra, Arikaomisa Randria sy ny ekipany. Nanampy azy tamin’ny fanofanana moa, raha ny fanazavana nentiny nandritry ny famoahana ireo nahavita izay dingana voalohany izay tetsy amin’ny toerana nanaovana izany etsy amin’ny ES DES Ankadivato omaly ry Doudou Arilala, izay mpilalao amin’ny onjam-peo, Nofy Andrianjaka, mpanentana amina onjam-peo, Andry Rakotoniaina, mpampianatra teatra, Lucas, mpikabary. Miisa 50 eo ireo mpiofana nomena sertifika teny an-toerana ho an’izao dingana voalohany izao ary afaka mbola manohy fiofanana amin’ny dingana faharoa amin’ny volana aogositra raha mbola mazoto. Nifotorana nandritry ny fiofanana ny resaka feo fotsiny, ho an’ny filalaovana tantara amin’ny onjapeo ary feo sy fihetsika moa ho an’ny sarimihetsika sy teatra ary mazava ho azy fa fahaizana manoratra sy mandrindra hevitra no nifotorana tamin’ny resaka fampianarana manoratra sy mikabary. Niara-niasa nahafahana nanatontosa izao ihany koa, hoy hatrany I Arikaomisa Randria ny ONG ACDM izay mifantoka amin’ny asa mivaingana ho fampandrosoana an’I Madagasikara. Misy efa misehatra amin’ireo sokajy voalaza ireo ireto mpiofana vao navoaka ireto, hoy izy, nefa tsy mena mitaha amin’ny efa za-draharaha.
J. Mirija
Legende: Ry zalahy mpampiofana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT