Aretim-po mbola niampy mosavy…

Lasa nanaraka an-janany any ankoatra i Flash B


  • Zoma 18 Oktobra 2024

Nindaosin’ny fahafatesana omaly Alakamisy 17 Oktobra hariva tokony ho tamin’ny 05 ora Randrianirina Anne

fantatry ny maro amin’ny anarana hoe : FLASH B izay mpanankato vao herotrerony nanana ny lazany tokoa. Nolazon'ny aretina hafa nandritra ny 3 volana izy raha efa narary fo ka notsaboina tao amin’ny hopitaly manara-penitra Befandriana Avaratra ary efa tsy nahatsiaro tena nandritra ny andro maromaro. Nambaran’ny olona akaiky azy fa karazana "mosavy" na vorika no nahazo azy. Tahaka io nanjo an’Itompokovavy io ihany koa no vaovao nalaza be ho nahazo ny zanany kely izay nodimandry tamin’ny volana Aprily tamin’ny taona 2023. Nankarary mafy an’i Flash B io tranga io, antony namoronany hira sy tsiahy, ho an'ilay menaky ny ainy nampitondrainy ny lohan-teny hoe "EFA IZAY". Tsiahivina moa vao 28 taona monja i Flash B izay nandao ny tany izao. Ilay hira hoe : Vrai Jocker no nampahalaza azy voalohany tamin’ny taona 2021. Izahay eto amin’ny gazety Tia Tanindrazana dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany.
Pati
Legende : Ratompokovavy fony notsaboina tao amin’ny hopitaly Befandriana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT