ARENDRINA VITA MALAGASY

Tsy dia misy mpividy, mitaraina ny mpivarotra


  • Alatsinainy 17 Jona 2024

Tsy dia misy mpividy hatreto ny arendrina vita Malagasy.

Efa ho tapa-bolana latsaka anefa izao no namonjy ny toerana natokana ho azy sy hahafahany mivarotra etsy Anosibe ireo fianakaviana mivelona sy manamboatra izany eto amintsika izay saika avy any amin’iny tananan’Ambohijanaka, Ambalavao… iny ny ankamaroany. Saika variana any amin’ny arendrina vita Sinoa ny mpanjifa hoy ny mpivarotra iray. Amin’ny ankapobeny anefa dia efa tena nanao ezaka izahay. Tsy mijanona amin’ireo karazan’arendrina teo aloha intsony fa efa mitady maodely hafa manintona ny mpanjifa mba hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa hoy hatrany ity mpivarotra iray ity. Efa hita eny an-toerana ohatra ireo karazana arendrina mitovy amin’ny harona misy sarina princesse….Tsy lafo ihany koa ny vidiny fa manomboka amin’ny 1000 Ar ka hatramin’ny 4000 Ar eo ho eo miankina amin’ny bika aman’endriny. Manahy mafy ny hisian’ny fatiantoka indray ireo mpivarotra arendrina vita Malagasy noho izany. Amin’ity herinandro ity sy amin’ny herinandro ambony mantsy sisa no tena faratsenan’izy ireo dia amin’ny taona ho avy indray vao misy.
Pati
Legende : Mbola mangina ny tsenan’ny arendrina vita gasy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT