kolontsaina

Arendrina vita malagasy Matin’ny vita sinoa ny tsena


  • Alakamisy 09 Jona 2022

Roa herinandro eo ho eo sisa dia hianoka tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 Jona isika. Ankoatra ny fihinanana sakafo miavaka amin’ny mahazatra dia tsy afa-misaraka amin’ny fetin’ny Asaramanitra ny

fitondrana arendrina. Velon-taraina sahady anefa ny ankamaroan’ireo mpivarotra arendrina vita Malagasy noho ny havitsian’ny mpanjifa tonga mividy eo amin’izy ireo. Tena matin’ny arendrina vita Sinoa ny tsenanay hoy hatrany izy ireo indrindra fa ny laser. Raha araka ny fanazavany anefa dia 1.000 Ar dia efa mahazo arendrina iray vita gasy tsara tarehy tsy misy mpividy nefa 50.000 Ar ny laser iray, sahin’ireo Ray aman-dReny sasany vidiana na dia sarotra aza ny fiainana. Toraka izany koa ireo karazana basy kely misy karazana balonina mivoaka, ireo saribakoly mirehitra, ny sabatra mirehitra… izay samy mandeha vatoaratra avokoa. Tsy azo hianteherana intsony araka izany ny asa fivarotana arendrina vita Malagasy ho an’ireo tena mivelona amin’izany. Ireo any ambanivohitrabe sisa no tena manjifa azy ireny hoy hatrany ny fanazavana azo fa ny eto an-drenivohitra dia efa saika mianoka amin’ny arendrina vita Sinoa avokoa ny zanany. Mariky ny fitiavan-tanindrazana no sady fanandratana ny vita Malagasy anefa ny fanjifana ireny arendrina vita Malagasy ka tsy tokony hatao tsinontsinona na dia eo aza ny fandrosoana.
Pati
Legende : Misy mahasahy mividy laser hatrany amin’ny 50.000 Ar ny Ray aman-dReny !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT