kolontsaina

Aponga Malagasy Hampahafantarin-dRagasy etsy amin’ny AFT Andavamamba


  • Talata 02 Aprily 2019

Zava-maneno iray tena manana ny maha izy azy amintsika Malagasy ny aponga, raha araka ny fanazavan-dRagasy, mpanakanto havanana amin’ny fanamboarana sy filalaovana ity zava-maneno iray ity.

 

 

 

Tamin’ny andron’ny mpanjaka fahiny, ny aponga hatrany no hampiasaina rehefa misy fety ao an-tanàna, hoy izy. Anisan’ireny ny fetin’ny Asaramanitra na ny taom-baovao Malagasy izay homarihina eto amintsika amin’izao fiandohan’ny volana aprily izao. Miezaka ny mampahafantatra amin’ny rehetra ny aponga Malagasy etsy amin’ny AFT Andavamamba Ragasy nanomboka omaly fiandohan’ny volana aprily, haharitra dimy andro. Nambarany fa na akora maivana toy ny tady, ny hoditr’omby ary no  hampiasaina hanamboarana ny aponga Malagasy   dia tena mafy sady miavaka tokoa  ary tsy ambakan’ireo aponga maro anaka vita avy any ivelany. Afaka manjifa eny an-toerana izay liana amin’ireto aponga vita Malagasy ireto sady afaka mankafy ny hakantony ihany koa.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT