Antoko mpihira Taratry ny mazava

Hanolotra fampisehoana maimaipoana eny Soavimbahoaka


  • Talata 16 Aprily 2024

Faly miantso ny vahoaka rehetra taranak’Ambohidanierana, FJKM Fahazavana,

ny antoko mpihira Taratry ny mazava, hoy ny mpitarika azy ireo, Ralaiarimanana, amin’ny voka-dehiben’ny Taratry ny mazava ny 21 aprily hoavy izao ho atao eny avaratry ny Gamo Ampasapito. Alahady faha 3 io, hoy izy. Hisy ny fampisehoana an-kira izay hanentanana ny taranaka Ambohidanierana tsy an-kanavaka. Ny antony hanaovana azy eny Soavimbahoaka amin’io alahady io dia mba ahitan’ny rehetra ny hiran’izany Taratry ny mazava izany. Isan-taona dia misy vidim-pidirana nefa betsaka ireo mba te hijery. Antsoina daholo amin’ity ny mpiara-mivavaka, ny mpiray tanindrazana fa maimaipoana io fampisehoana io. Mila fanomanana nefa ary mety ho lavalava kely ny fotoana ka misy ny sakafo izay karakaraina eny an-toerana sy amidy amin’ny vidiny mirary. Ny vola azo moa dia hanitarana ny fitoriana ny filazantsara ataon’ireo tanora. Ho amidy eny an-toerana ny vokatra farany izay mbola rakipeo aloha dia ny rakipeo faha 6 an’ny antoko mpihira, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT