kolontsaina

Antoko mpihira AMAM Nakotroka ny famaranana ny faha-50 taona nijoroany


  • Alatsinainy 12 Novambra 2018

Tontosa omaly ny famaranana ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny fahatraran’ny antoko mpihira antsan’ny mamatonalina na AMAM ny faha-50 taonany natao tetsy amin’ny FJKM Andrainarivo fahasoavana.

 

 

Niavaka ny hetsika raha mitaha tamin’ireo fankalazana tany aloha satria dia fotoam-pivavahana narahana rindrankiran’ny antoko mpihira no natao ny maraina ary ny hariva kosa dia fiaraha-misakafo sy fifampitafan’ireo mpikambana rehetra izay efa nandalo tao amin’ity antoko mpihira ity tao anatin’izay 50 taona izay no natao raha toa ka fampisehoana iarahana amin’ireo antoko mpihira rahavavy no fanao mahazatra. Tokana ny tanjona, hoy ny filohan’ny komity mpikarakara ny hetsika dia ny hitory hatrany ny filazantsara amin’ny alalan’ny hira. Antoko mpihira anisan’ny filamatra, indrindra, teo anelanelan’ny taona 1990 sy taona 2000 moa ny AMAM, raha ny fampatsiahivana, ary voalohany tamin’ireo antoko mpihira nitondra ny gadona Gospel teto Madagasikara sy voalohany tamin’ireo antoko mpihira nandray anjara tamin’ilay hetsika Madajazzcar. Ho voninahitr’Andriamanitra dia nakotroka ny famaranana ny jobily.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT