kolontsaina

Antoko Malagasy Miara-Miainga “Tsy manaraka toetr’andro ny “Logiciel sigle”-n’ny CENI


  • Alarobia 28 Septambra 2022

Anisan’ireo niatrika ny fampahafantarana ilay rindrambaiko na “Logiciel” eo anivon’ny CENI, ampiasaina amin’ny fanatanterahana ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana ny eo anivon’ny antoko politika Malagasy miara-miainga.

Betsaka ny lesoka hita amin’ny fitaovana nofidiana, hoy ny birao politikan’ny antoko MMM, Rakotomalala Rija, teny Alarobia. Maro ireo fanatsarana tokony hojerena akaiky amin’ny fampiasana izany, hoy izy. Nitsiany fa tokony atao laharam-pahamehana ny fampiasana ny fitaovana manaraka toetr’andro amin’ny fikirakirana ny lisim-pifidianana, hoy izy. Eo koa ny fametrahana mpanara-maso mahaleo tena amin’ny fampiasana ny « Logiciel ». Zava-dehibe ny tokony hampiasana fitaovana manaraka ireo hiaka farany raha ny lafiny ara-teknika manokana. Efa tsy manaraka ny toetr’andro intsony ny « Logiciel sigle » nofidiana ka ahiana hitarika olana amin’ny fikirakirana ireo lisitry ny mpifidy. Tena saropady io resaka io, hoy hatrany izy. Nambaran’ny Ceni anefa fa natao hisorohana ny fiverimberenan’ny anarana verindroa na « Doublons » izany fitaovana izany. Etsy andaniny, nanteriny fa tokony hisy ny mpanara-maso mahaleotena avy any ivelany amin’ny fampiasana ity “logiciel” ity. Maherin’ny 5000 isa ireo mpanisa mpifidy na “Agent recenseur” manerana ny nosy hampiasa ny « Tablette » misy izany rindrambaiko izany. Tsiahivina fa hanomboka ny 1 oktobra izao ny fanavaozana tanteraka ny lisim-pifidianana. Hatao ny alakamisy izao kosa ny fampahafantarana ofisialy ny momba ity “Logiciel” ity, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT