ANTOKO FANOROLAHY SY NY DEPIOTE ROSSY

Niara-nanao santa-bary tany Ankazobe


  • Alatsinainy 25 Martsa 2024

Tsy miova ny paikady hapetraky ny Antoko Fanorolahy tarihin’ny filoha nasionaliny Randrianary Jose

manoloana ny ady amin’ny fahantrana eto amintsika. Fomba fitenin’ny mpanao politika ankehitriny hoy izy ny hoe : Vonona nefa tsy vanona na Vanona nefa tsy vonona saingy ny fampandrosoana vanona sady vonona hoy Randrianary Jose dia avy amin’ny tany . Ny fambolena no vahaolana ialana amin’ny fahantrana. Nasehon’izy ireo niharihary izany tamin’ny faran’ny herinandro teo. Niakatra ny vokatry ny tany avy any Ankazobe. Hamatsiana ny mponina eto an-drenivohitra avokoa izy ireo ka nisy ny santa-bary notanterahina tetsy amin’ny Boriborintany fahaefatra, niarahan’ity antoko ity tamin’ny solombavambahoaka Rossy.Fantatra tamin’izany fa mahavita 7 taonina isaky ny hekitara ireo tantsaha any an-toerana amin’izao, amin’izany famokaram-bary izany. Nisaotra ny solombavambahoaka Rossy ny antoko Fanorolahy nanoloana izany izay sady nahavanona no nahavokatra. Tsiahivina moa fa miezaka hatrany ity antoko ity manosika sy manampy ireo tantsaha mpamokatra eny ambanivolo hahafahana miady amin’ny fidangan’ny vidim-bary sy ny tsy fahampian-tsakafo misy eto amintsika.
Pati
Legende : Ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Antoko Fanorolahy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT