ANTM sy ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka

Hifampiresahana manokana ny resaka manga maso


  • Zoma 22 Aogositra 2025

Fivoriana 3 sosona no hisy amin’ity fiafaràn’ny volana aogositra ity,

ho an’ny fikambanam-pirenen’ireo mpitsabo nentim-paharazana na ANTM, hoy ny filohany, Josephin Andriandrainarivo. Raha nivory, hoy izy, ny fikambanana ny voalohan’ny taona dia efa nametrapetraka hoe mila manao fivoriambe azy avy ireo fikambanana miisa 17 hatramin’ny volana jona lasa teo dia samy nanao ny azy tany. Ny Astrama, izay manana mpikambana manerana ny nosy, kosa dia manararaotra ny fivoriambe amin’ny 28 aogositra 2025 ka nataony 1 andro mialohan’izany ny azy, izany hoe ny 27 aogositra. Ny zoma 29 aogositra moa dia fivoriambe iarahan’ny ANTM sy ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka ary ny OMS na ny sampan-draharahan’ny firenena mikambana momba ny fahasalamàna ho fanamarihana ny andro afrikanina momba ny fitsaboana nentim-paharazana. Toy ny mahazatra moa dia eny amin’ny toerana mahazatra eny Anosy hatrany no hanatontosàna izany. Hiresaka ny raharahan-tokantranony sy ny fiarahany miasa amin’ireo ambaratongam-pahefàm-panjakàna amin’io ny ANTM. Hifampiresahana amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka manokana ny resaka vakisiny sy ity resaka manga maso ity. Misy olana kely eto an-drenivohitra izy io. Faharoa dia ny minisiteran’ny kolontsaina, izay misahana ny vakoka ara-kolontsaina tsy azo tsapain-tanana, no hifampiresaka koa ao anatin’izany. Eo koa ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny ADS Mada izay miandraikitra ny fampiharana ny fitsinjaràna ara-drariny ny tombontsoa azo avy amin’ny fampiasàna ireo harena foto-tarazo sy ny haren-tsaina tsy mivaingana na ny fahalalana nentim-paharazana izay tsy azo tsapain-tanana mifandraika aminy eto Madagasikara. Azon’ny olompirenena rehetra hatrehiny ny hetsika amin’io 29 aogositra io, hoy hatrany ny fanazavàna.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT